Fanampiana amin’ny fandalinana
Renirano Jordana


Renirano Jordana

Ny Renirano Jordana dia mikoriana avy any amin’ny ranomasin’i Galilia ka mivarina any amin’ny Ranomasina Maty. 160 kilaometatra ny halavany ary izany dia miforona noho ny fitambaran’ireo loharano maro mikoriana avy any an-tendrombohitr’i Hermona. Izany no renirano lehibe indrindra any Isiraely.

Toe-javatra lehibe roa no misy ifandraisana amin’ity renirano ity dia ny nanasarahan’ny Tompo ny renirano hiampitan’ny Isiraely (Jos. 3:14–17) sy ny nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy (Mat. 3:13–17; 1 Ne. 10:9).