Ny avo indrindra amin’ireo ambaratongam-boninahitra telo mety ho azon’ny olona aorian’ity fiainana ity. Any no hitoeran’ny marina, eo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy zanany.
Hafa ny voninahitry ny any an-danitra, 1 Kor. 15:40 (F&F 76:96 ).
Nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo i Paoly, 2 Kor. 12:2 .
Naseho tamin’ny fahitana ny voninahitra selestialy, F&F 76:50–70 .
Raha te hanana toerana ao amin’ny tontolo selestialy ny Olomasina dia tsy maintsy miomana, F&F 78:7 .
Izay tsy afaka mandray ny lalàn’ny fanjakana selestialy dia tsy afaka hahatanty ny voninahitra selestialy, F&F 88:15–22 .
Ao amin’ny voninahitra selestialy misy lanitra telo; dia aroso etoana ireo fepetra hahazoana ny avo indrindra, F&F 131:1–2 .
Ny ankizy rehetra izay maty alohan’ny taona hahatongavana amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy, F&F 137:10 .