Fanampiana amin’ny fandalinana
Fananganan’anaka


Fananganan’anaka

Miresaka fananganan’anaka karazany roa ny Soratra Masina.

(1) Ny olona izay tsy iray firazanana amin’ny Isiraelita dia miditra ho isan’ny fianakavian’i Abrahama sy ny mpianakavin’i Isiraely, noho izy nino an’i Jesoa Kristy, nibebaka, natao batisa asitrika ary nandray ny Fanahy Masina (2 Ne. 31:17–18; F&F 84:73–74; Abr. 2:6, 10–11).

(2) Ireo rehetra izay efa nandray ny ôrdônansy mahavonjy avy amin’ny filazantsara dia tonga zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana tsy tapaka ny didiny (Roma. 8:15–17; Gal. 3:24–29; 4:5–7; Môzià 5:7–8).