Fanampiana amin’ny fandalinana
Levitikosy


Levitikosy

Boky ao amin’ny Testamenta Taloha izay milaza ny andraikitry ny mpisorona eo amin’ny Isiraely. Hamafisiny ny fahamasinan’ Andriamanitra sy ireo lalàna arahina mba hahatonga ny olona ho masina. Ny tanjony dia ny hampianatra amin’ny alalan’ny fombafomba ireo fitsipika ara-pitondrantena sy ireo fahamarinana ara-pivavahana ao amin’ny lalàn’i Mosesy. I Mosesy no nanoratra ny bokin’ny Levitikosy.

Toko 1–7: manazava ny fanaovan-tsorona. Toko 8–10: manoritsoritra ny fombafomba arahina amin’ny fanokanana mpisorona. Toko 11: milaza ny zavatra azo hanina na tsia, ary koa ny zavatra madio sy tsy madio. Toko 12: miresaka ny amin’ny vehivavy tera-bao. Toko 13–15: lalàna momba ny fahalotoana ara-pombafomba. Toko 16: mirakitra ny fombafomba arahina amin’ny andro fanavotana. Toko 17–26: mirakitra fehezan-dalàna momba ny fanao ara-pivavahana sy ara-piarahamonina. Toko 27: manazava fa ny Tompo dia mandidy ny Isiraely hanokana ny vokatra sy ny biby fiompiny ho an’ny Tompo.