Fanampiana amin’ny fandalinana
Zefania


Zefania

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha izay niaina nandritra ny nanjakan’i Josiasa (639–608 taona talohan’i Kristy).

Ny bokin’i Zefania

Toko 1: miteny ny amin’ny andro ho avy izay ho feno fahatezerana sy fahasahiranana. Toko 2: mananatra ny vahoakan’i Isiraely hikatsaka fahamarinana sy halemem-panahy. Toko 3: milaza mikasika ny Fiaviana Fanindroany, rehefa hivory mba hiady ny firenena rehetra. Hanjaka eo anivony anefa ny Tompo.