Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanjakana Rômana


Fanjakana Rômana

Ny fanjakan’i Roma fahizay. Tamin’ny andron’ny Apôstôly dia ny fanjakana Romana no hany fanjakana lehibe teto an-tany. Tafiditra tao anatiny ny tany rehetra teo anelanelan’ny Eofrata, ny Danioba, ny Rina, ny Atlantika ary ny efitr’i Sahara. Lasa zanatany i Palestina tamin’ny 63 talohan’i Jesoa Kristy raha namabo an’i Jerosalema i Pompeo. Na dia nomen’ny Romana tombontsoa manokana aza ny Jiosy, dia nankahala ny Romana izy ary tsy tapaka nikomy.

I Paoly, izay olom-pirenena Romana, dia nampiasa ny teny Grika izay teny fampiasa indrindra teo amin’ny fanjakana, mba hanapariahana ny filazantsara manerana ny fanjakana.