Fanampiana amin’ny fandalinana
Kolosiana, Epistily ho an’ny


Kolosiana, Epistily ho an’ny

Boky iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taratasy nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ny Kolosiana izany tany am-boalohany rehefa avy namangy azy i Epafrà, ilay evanjelistry ny Fiangonana tao Kolosy (Kol. 1:7–8). Nilazan’i Epafrà i Paoly fa latsaka ao amin’ny hadisoana bevava ny Kolosiana—nihevitra izy ireo fa tsaratsara kokoa noho ny vahoaka hafa, noho izy ireo nitandrina fatratra ireo ôrdônansy ivelany sasantsasany (Kol. 2:16), nandà tamin’ny tenany ireo filàna ara-nofo sasantsasany ary nidera an’ireo anjely (Kol. 2:18). Ireny fombafomba ireny dia nahatsapan’ny Kolosiana fa nohamasinina izy ireo. Nahatsapa koa izy ireo fa izy ireo dia nahatakatra ireo misterin’ny tontolo tsaratsara kokoa noho ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Nanitsy azy ireo i Paoly ao amin’ny taratasiny tamin’ny nampianarany fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’i Kristy ihany, ary tokony ho hendry sy hanompo Azy isika.

Toko 1: ny fiarahaban’i Paoly ny Kolosiana. Toko 2–3: fotopampianarana ary mirakitra ny filazana an’i Kristy ho Mpanavotra, ny loza ateraky ny fiderana diso ary ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty. Toko 4 dia mampianatra fa tokony ho hendry amin’ny zava-drehetra ny olomasina.