Fanampiana amin’ny fandalinana
Hebreo


Hebreo

Fiteny Semitika tenenin’ny zanak’i Isiraely.

Ny Hebreo no tenin’ny Isiraelita mandra-piveriny avy tamin’ny fahababoana tany Babylonia, ka tamin’izay fotoana izay dia ny Aramaika no nanjary fiteny teo amin’ny resaka andavanandro. Nandritra ny fotoan’i Jesoa, dia ny Hebreo no nanjary fitenin’ny olo-mahay, ny lalàna ary ny haisoratra ara-pivavahana.