Bokin’ny Fiainana
Amin’ny lafiny iray, ny Bokin’ny Fiainana dia ny fitambaran’ireo eritreritra sy zavatra nataon’ny olona—ny tantaran’ny fiainany. Manambara koa anefa ny soratra masina fa misy rakitsoratra any an-danitra, tanana ho an’ny mahatoky, ka ao anatin’izany ny anarany sy ny fitantarana ny zavatra marina vitany.