Fanampiana amin’ny fandalinana
Menarana Varahina


Menarana Varahina

Menarana varahina nataon’i Mosesy noho ny didin’ Andriamanitra mba hanasitranana ireo Isiraelita nokaikerin’ny menaran’afo (menarana mamoaka poizina) tany an-tany foana (Nom. 21:8–9). Nahantona tamin’ny hazo lava izany menarana izany, ary “na zovy na zovy no ho nijery izany dia ho velona” (Almà 33:19–22). Nilaza ny Tompo fa ny fanandratana ilay menarana tany an-tany efitra dia tandindon’ny fanandratana ny tenany eo amin’ny hazofijaliana (Jao. 3:14–15). Hamafisin’ny Fanambaran’ny Andro Farany ny tantaran’ny menaran’afo sy ny fomba nanasitranana ny olona (1 Ne. 17:41; 2 Ne. 25:20; Hel. 8:14–15).