Fanampiana amin’ny fandalinana
Joda (Testamenta Vaovao)


Joda (Testamenta Vaovao)

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, anankiray tamin’ireo rahalahin’i Jesoa ary ampoizina ho mpanoratra ny epistilin’i Joda (Mat. 13:55; Joda 1:1).

Ny epistilin’i Joda

Ny boky dia ahitana taratasy avy amin’i Joda ho an’ireo Olomasina sasantsasany izay nalemy ny finoany. Izy ireny dia nolemen’ireo izay nihambo ho Kristiana teo anivony, saingy nanaraka ny fomba vetavetan’ny mpanompo sampy sady nilaza ho afaka tamin’ny fankatoavana ny lalàm-pitondrantena. Naniry i Joda ny hamoha ny Olomasina hahatsapany ny lozam-panahy mitatao amin’izy ireny ary ny handrisika azy ireny hijanona ho mahatoky.

Anisan’ny andininy misongadina ao amin’ny Joda ny andininy 6 izay mitantara ny ady tany an-danitra sy ny fanjerana an’i Losifera mbamin’ny anjeliny avy tamin’izany toetra talohan’ny fiainana mety maty izany (Abr. 3:26–28), ary ny andininy 14–15, izay faminaniana nataon’i Enoka.