Fanampiana amin’ny fandalinana
Babela, Babylona


Babela, Babylona

Ny renivohitr’i Babylonia.

Babela dia naorin’i Nimroda ary anankiray tamin’ireo tanàna tranainy indrindra teo amin’ny tany Mesopotamia na Sinara (Gen. 10:8–10). Nokorokoroan’ny Tompo ny fiteny tamin’ny fotoana izay nananganan’ny olona ny Tilikambon’i Babela (Gen. 11:1–9; Ete. 1:3–5, 33–35). Nanjary renivohitr’i Nebokadnezara i Babylona taty aoriana. Nanorina tanàna goavana izy, izay ny faharavany sisa tafajanona. Nanjary tanàna tena ratsy i Babylona ka tonga sarin’ny faharatsian’izao tontolo izao.