Fanampiana amin’ny fandalinana
Malakia


Malakia

Mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay nanoratra sy naminany, tokony ho 430 taona talohan’i Kristy.

Ny bokin’i Malakia

Ny bokin’ny faminanian’i Malakia no boky farany ao amin’ny Testamenta Taloha. Toa miompana amin’ny venti-kevitra efatra izy: (1) Ny fahotan’ny Isiraely—Malakia 1:6–2:17; 3:8–9; (2) Ny fitsarana ho avy amin’ny Isiraely noho ny tsy fankatoavany—Malakia 1:14; 2:2–3, 12; 3:5; (3) Ireo fampanantenana raha mankatò—Malakia 3:10–12, 16–18; 4:2–3; ary (4) ireo faminaniana momba an’i Isiraely—Malakia 3:1–5; 4:1, 5–6 (F&F 2; 128:17; JS—T 1:37–39).

Ao amin’ny faminaniany izy dia nanoratra momba an’i Jaona Mpanao Batisa (Mal. 3:1; Mat. 11:10), ny lalàn’ny fahafolonkarena (Mal. 3:7–12), ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany (Mal. 3:23), ary ny fiverenan’i Elia (Mal. 3:23–24; F&F 2; 128:17; JS—T 1:37–39). Notanisain’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita ny Malakia toko 3 manontolo (3 Ne. 24–25).