Fanampiana amin’ny fandalinana
Matio


Matio

Apostolin’i Jesoa Kristy sady mpanoratra ny boky voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. I Matio dia Jiosy mpanangona hetra ho an’ny Romana tany Kapernaomy, ary azo inoana fa niasa ho an’i Heroda Antipasy. Fantatra tamin’ny anarana hoe Levy, zanak’i Alfeo izy talohan’ny niovany fo (Mar. 2:14). Fotoana fohy taorian’ny niantsoana azy ho mpianatr’i Kristy dia nanao fanasana izay natrehin’ny Tompo izy (Mat. 9:9–13; Mar. 2:14–17; Lio. 5:27–32). Inoana fa nanana fahalalana lehibe momba ny soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha i Matio ary afa-nahita ny fahatanterahan’ny faminaniana amin’ny an-tsipiriany teo amin’ny fiainan’ny Tompo. Vitsy ny zava-pantatra momba ny fiainan’ity Apôstôly ity taty aoriana. Ambaran’ny lovan-tsofina iray fa maty maritiora izy.

Ny Filazantsaran’i Matio

Boky voalohany amin’ny Testamenta Vaovao. Azo inoana fa ho an’i Jiosy tao Palestina no nanoratana voalohany ny Filazantsaran’i Matio. Mampiasa andalan-tsoratra maro ao amin’ny Testamenta Taloha izy. Ny voalohan-tanjon’i Matio dia ny haneho fa i Jesoa no ilay Mesia ambaran’ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Hamafisiny ihany koa fa i Jesoa no Mpanjaka sy Mpitsara ny olona.

Ny amin’ny lisitr’ireo toe-javatra niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay notantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, jereo ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana.