Fanampiana amin’ny fandalinana
Hebreo, Epistily ho an’ny


Hebreo, Epistily ho an’ny

Boky iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanoratra ity taratasy ity ho an’ireo Jiosy mpikambana ao amin’ny Fiangonana i Paoly mba handresy lahatra azy ireo, fa ireo lafiny manan-danja amin’ny lalàn’i Mosesy dia efa tanteraka tao amin’i Kristy, fa ny lalàna ambony amin’ny filazantsaran’i Kristy no efa nisolo izany. Rehefa niverina tao Jerosalema i Paoly tamin’ny fiafaran’ny asa fitoriana fahatelo (sahabo ho ny 60 taona taorian’i Kristy), dia hitany fa maro ireo Jiosy mpikambana amin’ny Fiangonana no mbola niaina araka ny lalàn’i Mosesy (Asa 21:20). Izany dia folo taona taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana tao Jerosalema farafahakeliny, izay efa nanapahana fa tsy ilaina ho amin’ny famonjena ny Kristiana Jentilisa ny sasantsasany amin’ny lalàn’i Mosesy. Vetivety foana taorian’izay dia toa nanoratra ho an’ny Hebreo i Paoly mba haneho aminy amin’ny alalan’ny soratra masina eo aminy sy amin’ny alalan’ny fisainana mitombina, ny antony tsy tokony hampiharana intsony ny lalàn’i Mosesy.

Toko 1 sy 2 dia manazava fa lehibe kokoa noho ny anjely i Jesoa Kristy. Toko 3–7 dia mampitaha an’i Jesoa amin’i Mosesy sy amin’ny lalàn’i Mosesy ka mijoro ho vavolombelona fa lehibe kokoa noho ireo Izy. Mampianatra koa izany fa ny Fisoronana Melkizedeka dia lehibe kokoa noho ny Fisoronana Aharôna. Toko 8–9 dia milazalaza ny fomba nanomanan’ny ôrdônansin’i Mosesy ny olona ho amin’ny asa fanompoan’i Kristy sy ny maha-mpanalalana an’i Kristy amin’ny fanekempihavanana vaovao (Almà 37:38–45; F&F 84:21–24). Toko 10 dia fandrisihana ho amin’ny fahazotoana sy ny fahatokiana. Toko 11 dia lahateny ny amin’ny finoana. Toko 12 dia manome fananarana sy fiarahabana. Toko 13 dia manazava ny maha-mendri-kaja ny toetry ny fanambadiana sy ny maha-lehibe ny fankatoavana.