Fanampiana amin’ny fandalinana
Balisama avy any Gileada


Balisama avy any Gileada

Ditin-kazo manitra na laron-tsakafo nampiasaina hanasitranana fery (Gen. 43:11; Jer. 8:22; 46:11; 51:8). Ny hazo izay namokatra ny dity nanaovana ny balisama dia nandrobona be tokoa tany Gileada, tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha, ka fantatra tamin’ny hoe ny “balisama avy any Gileada” (Gen. 37:25; Ezek. 27:17).