Fanampiana amin’ny fandalinana
Takela-barahina


Takela-barahina

Ny rakitsoratry ny Jiosy hatrany am-piandohana ka hatreo amin’ny 600 taona talohan’i Kristy, mirakitra ireo asasoratra maro an’ireo mpaminany (1 Ne. 5:10–16). Izany rakitsoratra izany dia notanan’i Labana, anankiray tamin’ireo loholona Jiosy tao Jerosalema. Raha mbola tany an-tany foana i Lehia sy ny ankohonany, dia nirahin’i Lehia ireo zanakalahiny hiverina any Jerosalema haka izany rakitsoratra izany (1 Ne. 3–4). (Ny amin’ny filazalazana misimisy kokoa dia jereo ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna”, izay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).