Ny planeta izay onenantsika, noharin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hampiasain’ny olona mandritra ny fizahan-toetra eto an-tany. Ny tanjony farany dia ny hanjary be voninahitra sy hasandratra (F&F 77:1–2 ; 130:8–9 ). Ny tany dia hanjary lova mandrakizay ho an’ireo izay efa niaina mba ho mendrika ny voninahitra selestialy (F&F 88:14–26 ). Hankafy ny fanatrehan’ny Ray sy ny Zanaka izy ireo (F&F 76:62 ).
Nomen’ Andriamanitra ny olona ny fanapahana ny tany, Gen. 1:28 (Mos. 2:28 ).
An’ny Tompo ny tany, Eks. 9:29 (Sal. 24:1 ).
Efa nomen’ny Tompo ny zanak’olombelona ny tany, Sal. 115:16 .
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny, Isa. 45:12 .
Ny tany dia homena ho an’ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy, F&F 45:56–58 (F&F 103:7 ).
Ireo izay efa nankatò ny filazantsara dia valina amin’ny zava-tsoan’ny tany, F&F 59:3 .
Ny mahantra sy ny malemy fanahy amin’ny tany no handova izany, F&F 88:17 (Mat. 5:5 ; 3 Ne. 12:5 ).
Ny ranomasina fitaratra dia ny tany amin’ny toetrany nohamasinina, tsy mety maty ary mandrakizay, F&F 77:1 .
Ny tany dia tsy maintsy hamasinina sy omanina ho amin’ny voninahitra selestialy, F&F 88:18–19 .
Aoka hiangona amin’ny toerana iray ny rano, Gen. 1:9 .
Tamin’ny andron’i Palega no nizarana ny tany, Gen. 10:25 .
Hahorona tahaka ny horonan-taratasy ny tany ary ho levona, 3 Ne. 26:3 (F&F 29:23 ).
Hisy lanitra vaovao sy tany vaovao, Ete. 13:9 (F&F 29:23 ).
Ny ranomasina fitaratra dia ny tany amin’ny toetrany nohamasinina, tsy mety maty ary mandrakizay, F&F 77:1 .
Tsy maintsy hamasinina sy omanina ho amin’ny voninahitra selestialy ny tany, F&F 88:18–19 .
Ity tany ity dia hatao tahaka ny vatomazava ary ho Orima sy Tomima, F&F 130:8–9 .
Hitsahatra mandritra ny arivo taona ny tany, Mos. 7:64 .
Hohavaozina ny tany, Fp. 1:10 .