Fanampiana amin’ny fandalinana
Enôsa, Zanakalahin’i Jakoba


Enôsa, Zanakalahin’i Jakoba

Mpaminany Nefita iray mpitahiry rakitsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nivavaka ka nahazo ny famelana ny fahotany noho ny finoany an’i Kristy (Enô. 1:1–8). Nifanaiky tamin’i Enôsa ny Tompo fa hoentina ho any amin’ny Lamanita ny Bokin’i Môrmôna (Enô. 1:15–17).

Ny bokin’i Enôsa

Boky iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay milaza ny amin’ny vavak’i Enôsa tamin’ny Tompo, ho famelana ny helony, ho an’ny olony ary ho an’ny hafa. Nampanantena azy ny Tompo fa hotsimbinina ny Bokin’i Môrmôna ary hovononina ho an’ny Lamanita izany indray andro any. Na tsy mirakitra afa-tsy toko iray aza ny boky, dia mirakitra ny tantara mahaliana ny olona iray izany, izay nikatsaka an’ Andriamaniny tamin’ny vavaka, nankatò ny didin’ Andriamanitra tamin’ny fiainany, ary nifaly talohan’ny fahafatesany noho ny fahalalana ny Mpanavotra.