Fanampiana amin’ny fandalinana
Fibebahana


Fibebahana

Fiovan-tsaina sy fiovam-po izay miteraka fihetsika vaovao amin’ Andriamanitra, amin’ny tena, ary amin’ny fiainana ankapobeny. Ny fibebahana dia midika fa miala amin’ny ratsy ny olona iray ka mampitodika amin’ Andriamanitra ny fony sy ny sitrapony, manoa ny didy sy ny sitrapon’ Andriamanitra ary miala amin’ny fahotana. Ateraky ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana marina hanaraka ny didiny no tena fibebahana marina. Efa nanota avokoa ny olona tompon’andraikitra rehetra ary tsy maintsy mibebaka mba handrosoany mankamin’ny famonjena. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahan’ny fibebahantsika hanan-kery sy eken’ Andriamanitra.