Fanampiana amin’ny fandalinana
Mika


Mika

Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Avy any Moreseta Gata, tany lemak’i Joda izy ary naminany tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia (Mika 1:1–2).

Ny bokin’i Mika

Ny Mika no hany boky ao amin’ny Testamenta Taloha manondro ny anaran’i Betlehema ho ilay toerana hahaterahan’ny Mesia (Mika 5:2). Ao amin’izany boky izany no niresahan’ny Tompo tamin’ny olony sy nampahatsiahivany azy ny hatsaram-pony taminy; nitakiany fahamarinana, famindram-po ary fanetrentena tamin’izy ireo (Mika 6:8).