Fanampiana amin’ny fandalinana
Loholona


Loholona

Ampiasaina amin’ny lafiny samihafa ny teny hoe loholona ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia mazàna ireo lehilahy zokiolona ao amin’ny fokom-pirenena iray no tondroin’izany, ireo izay matetika nampiandraiketina ny raharaham-panjakana (Gen. 50:7; Jos. 20:4; Rota 4:2; Mat. 15:2). Ny taonany sy ny fiainana nodiaviny dia nahatonga ny toroheviny ho nanan-danja. Tsy voatery ho nitana toerana tao amin’ny andraikitry ny fisoronana izy ireny.

Nisy koa ireo loholona natokana ho an’ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha (Eks. 24:9–11). Voalaza ho anjara fanompoan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana ny loholona ao amin’ny Testamenta Vaovao (Jak. 5:14–15). Teo anivon’ny Nefita dia nisy koa ireo loholona natokana ho amin’ny fisoronana (Almà 4:7, 16; Môrô. 3:1). Amin’izao fotoampitantanana izao dia i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery no loholona voalohany natokana (F&F 20:2–3).

Loholona ankehitriny no anarana omena an’ireo rehetra mihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ny lehilahy manao asa fitoriana ohatra dia atao hoe loholona. Ny Apôstôly koa dia loholona ary mety ny hiantsoana an’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy na ny Kôlejin’ny Fitopololahy amin’izany anarana izany (F&F 20:38; 1 Pet. 5:1). Efa nomena ao amin’ny fanambaran’ny Andro Farany ny adidin’ireo izay voatokana ho loholona ankehitriny (F&F 20:38–45; 42:44; 46:2; 107:12).