Fanampiana amin’ny fandalinana
Môrmôna


Môrmôna

Ny anaram-bosotra Môrmôna dia noforonin’ny olona tsy mpikambana ao amin’ny fiangonana ho enti-miantso ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Avy amin’ny boky soratra masina ilay anarana, izay nangonin’i Môrmôna mpaminany fahiny ary nomena ny lohateny hoe Bokin’i Môrmôna. “Olomasina” no anarana nomen’ny Tompo ahafantarana ny mpikamban’ny fiangonana. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no anaran’ny fiangonana ara-dalàna.