Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpitoriteny


Mpitoriteny

Boky ao amin’ny Testamenta Taloha, mirakitra fandinihana ny sasantsany amin’ireo olana tena lalina eo amin’ny fiainana.

Ny mpanoratra ny boky, ilay Mpitory, dia nanoratra ny ampahany betsaka amin’ny boky araka ny fijerin’ireo izay tsy mahatakatra ny filazantsara. Nanoratra araka ny fahatsapan’ny olon’izao tontolo izao izy—izany hoe, ireo “aty ambanin’ny masoandro” (Mpito. 1:9). Toa hakiviana sy fanariana toky no ampahany betsaka amin’ny boky (Mpito. 9:5, 10). Tsy mba toy izany no fomba tian’ny Tompo hijerentsika ny fiainana, saingy toy izany kosa no fomba noheverin’ilay Mpitory fa hitrangan’ny zavatra amin’ny olona izay tsy nohazavaina eto an-tany. Ny ampahan’ny teny ara-panahy amin’ny boky dia ao amin’ny toko 11 sy 12 izay faranan’ny mpanoratra amin’ny filazana fa ny hany zavatra maharitra ny hasiny dia ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra.