Fanampiana amin’ny fandalinana
Jakôba, Zanakalahin’i Lehia


Jakôba, Zanakalahin’i Lehia

Mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary mpanoratra ireo toriteny maro ao amin’ny boky 2 Nefia sy Jakôba (2 Ne. 6–11; Jkb. 1–7).

Ny bokin’i Jakôba

Ny boky fahatelo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny toko 1 dia milaza fa nanolotra an’i Jakôba ny rakitsoratra i Nefia ary nanokana an’i Jakôba sy i Josefa rahalahiny ho mpisorona sy mpampianatra ny vahoaka. Toko 2–4 dia toriteny mananatra ny olona hanana fitondrantena mendrika. Nampianatra ny amin’ny fiavian’ny Mesia Mpanavotra i Jakôba ary nanome ny antony tsy haneken’ny Isiraely sasany Azy amin’ny fiaviany. Toko 5–6 dia mirakitra ny tenivavolombelon’i Jakôba sy ny fanoharana miendrika faminaniana momba ny tantara sy ny asa anirahana ny vahoakan’i Isiraely. Ny toko 7 dia mirakitra ny tantaran’ilay mpikomy mahay atao hoe Serema izay resin’ny tenivavolombelona avy amin’ Andriamanitra nataon’i Jakôba.