Fanampiana amin’ny fandalinana
Ezra


Ezra

Mpisorona sady mpanora-dalàna ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nitondra ny sasany tamin’ny Jiosy niala ny fahababoana tany Babylona ka niverina tany Jerosalema (Ezra 7–10; Neh. 8; 12). Tamin’ny 458 taona talohan’i Kristy, dia nahazo lalana tamin’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, izy hitondra ny Jiosy voasesitany izay te handeha hiverina any Jerosalema (Ezra 7:12–26).

Talohan’ny andron’i Ezra, dia saika nifehy tanteraka ny famakiana ny raki-tsoratra masina atao hoe “lalàna” ny mpisorona. Nanampy tamin’ny fanaovana ny soratra masina ho mora azon’ny Jiosy i Ezra. Nanjary ivon’ny fiainam-pirenena Jiosy tamin’ny farany ny famakiana ampahibemaso “ny bokin’ny lalàna”. Ny fampianaran’i Ezra lehibe indrindra angamba dia avy tamin’ny ohatra nasehony tamin’ny fanomanany ny fony hikatsaka ny lalàn’ny Tompo, hankatò izany ary hampianatra izany ny hafa (Ezra 7:10).

Ny bokin’i Ezra

Toko 1–6: dia milazalaza ny zava-nisy izay nitranga hatramin’ny enimpolo ka hatramin’ny valopolo taona talohan’ny nahatongavan’i Ezra tao Jerosalema—ny didim-pitondran’i Kirosy tamin’ny 537 taona talohan’i Kristy ary ny fiverenan’ny Jiosy notarihin’i Zerobabela. Toko 7–10: mampiseho ny fomba nandehanan’i Ezra nankany Jerosalema. Izy sy ny andiany dia nifady hanina sy nivavaka hahazo fiarovana. Tao Jerosalema dia hitany ireo Jiosy maro nandeha talohany, notarihin’i Zerobabela, ary efa nanambady vehivavy ivelan’ny fanekempihavanana ka nandoto araka izany ny tenan’izy ireo. Nivavaka ho azy ireo i Ezra ary nampanao azy ireo fanekena mba hisarahany amin’ny vadiny. Hita ao amin’ny bokin’i Nehemia ny fiafaran’ny tantaran’i Ezra.