Fanampiana amin’ny fandalinana
Ozona


Ozona

Ny ozona ao amin’ny soratra masina dia fampiharana ny lalàn’ Andriamanitra, izay mamela na mitondra ny famaizana sy ny vokany hiantefa amin’ny zavatra, olona na vahoaka noho ny tsy fahamarinana indrindra indrindra. Fanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany sy ny fahamarinany ny ozona. Azon’ Andriamanitra antsoina mivantana izany na azon’ireo mpanompony nomem-pahefana tononina. Andriamanitra ihany indraindray no mahalala ny antony feno. Ankoatra izany dia diavin’ireo izay minia tsy mankatò an’ Andriamanitra ny ozona ka mampiala ny Fanahin’ny Tompo amin’ny tenany izy amin’izany.

Mety hanaisotra ny ozona ny Tompo noho ny finoan’ny tsirairay na ny vahoaka an’i Jesoa Kristy ary noho ny fankatoavana ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsara (Almà 23:16–18; 3 Ne. 2:14–16; Fp. 1:3).

Faniratsirana

Ny manozona dia ny fampiasana koa fiteny izay maniratsira, manevateva, na manaraky.