Fanampiana amin’ny fandalinana
Lota


Lota

Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahin’i Harana sady zanadrahalahin’i Abrahama, (Gen. 11:27, 31; Abr. 2:4). Maty noho ny mosary tany Ora i Harana (Abr. 2:1). Nandao an’i Ora niaraka tamin’i Abrahama sy Saraha i Lota ary nandeha niaraka taminy tany Kanana (Gen. 12:4–5). Nisafidy ny hiaina tao Sodoma i Lota. Nandefa iraka ny Tompo hampitandrina an’i Lota handositra an’i Sodoma talohan’ny nandravan’ny Tompo izany noho ny faharatsian’ny olona (Gen. 13:8–13; 19:1, 13, 15). Niherika teo ivohony nijery ny fandravana anefa ny vadin’i Lota ka tonga vongan-tsira (Gen. 19:26). Mirakitra an-dalana momba an’i Lota ny Testamenta Vaovao (Lio. 17:29; 2 Pet. 2:6–7). Voatantara ao amin’ny Genesisy 13, 14, ary 19 ny tantaram-piainany taorian’ny nisarahany tamin’i Abrahama.