Fanampiana amin’ny fandalinana
Bala


Bala

Andriamanidahy masoandro notompoina indrindra tany Foinisia (1 Mpan. 16:31) fa notompoina tamin’ny fomba samy hafa koa tamin’ny toerana samy hafa: fantatra tamin’ny hoe Bala-peora teo amin’ny Moabita (Nom. 25:1–3), Bala-berita tao Sekema (Mpits. 8:33; 9:4) Bala-zeboba tao Ekrona (2 Mpan. 1:2). Mety ho iray ihany ny Bala sy ny Bela tao Babylona na Zeosa teo amin’ny Grika. Ny teny hoe Bala dia maneho ny fifandraisana eo amin’ny tompo sy ny andevony. Toy ny fahita dia ombalahy no sarin’i Bala. Amin’ny ankapobeny dia i Astoreta no andriamanibavy niara-notompoina tamin’i Bala.

Matetika dia nampiarahina tamin’ny anarana na ny teny iray hafa ny hoe Bala mba hanehoana ny fifandraisany amin’i Bala, toy ny toerana izay nanompoana azy na ny olona izay nanana ny toetran’i Bala. Taty aoriana, dia novana ho Boseta izany tamin’ireny anarana nakambana ireny, satria nanjary ratsy loatra ny hevitry ny hoe Bala. Ny hevitry ny hoe Boseta dia “Henatra.”