Fanampiana amin’ny fandalinana
Oliva, Tendrombohitra


Oliva, Tendrombohitra

Vohitra atsinanan’ny Lohasaha Kidrona, ao atsinanan’i Jerosalema. Ao amin’ny solampiny andrefana, akaikin’ny fotony no misy ny zaridainan’i Getsemane. Ao amin’ny tendrony ary amin’ny solampiny atsinanana kosa no misy an’i Betifage sy i Betania. Toerana nitrangan’ny zavatra maro tao amin’ny Baiboly io tendrombohitra io (Mat. 24:3) sady toerana hanana ny lanjany amin’ny zava-hitranga amin’ny andro farany (Zak. 14:3–5; F&F 45:48–54; 133:20).