Fanampiana amin’ny fandalinana
Saron-tratra


Saron-tratra

Roa karazana ny saron-tratra lazain’ny soratra masina: (1) salotra fiarovan-tratran’ny miaramila na akanjo vy. Sary an’ohatra ihany no ilazana fa ny Olomasina dia tokony hiakanjo ny saron-tratran’ny fahamarinana hiarovany ny tenany amin’ny ratsy (Isa. 59:17; Ef. 6:14). (2) Akanjo fanaovan’ny mpisorona avo tamin’ny lalàn’i Mosesy (Eks. 28:13–30; 39:8–21). Vita tamin’ny rongony fotsy madinika izany ary mitondra vatosoa roa ambin’ny folo. Misy ifandraisany amin’ny Orima sy ny Tomima izany indraindray (F&F 17:1; JS—T 1:35, 42, 52).