Fanampiana amin’ny fandalinana
Tesaloniana, Epistily ho an’ny


Tesaloniana, Epistily ho an’ny

Boky roa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana izany tany am-piandohana, nandritra ny fitsidihany voalohany an’i Eoropa nanodidina ny 50 taona taorian’i Kristy. Voalaza ao amin’Asa 17 ny asany tany Tesalonika. Nitady hiverina tany Tesalonika i Paoly saingy tsy afaka nanao izany (1 Tes. 2:18), koa nandefa an’i Timoty izy mba hampahery ireo niova fo sy hanao tatitra aminy mikasika azy ireo. Nanoratra ny epistily voalohany i Paoly noho ny fankasitrahany tamin’ny fiverenan’i Timoty.

Tesaloniana Voalohany

Toko 1–2: mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy ny fivavahany ho an’ny olomasina. Toko 3–5 manome fampianarana momba ny fitomboana ara-panahy, ny fitiavana, ny fahadiovam-pitondrantena, ny fahazotoana, ary ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Tesaloniana Faharoa

Toko 1: Mirakitra vavaka ho an’ny olomasina. Toko 2: miresaka ny fahatogavan’ny apôstazia. Toko 3: Mirakitra ny vavak’i Paoly ho an’ny fandresen’ny foto-kevitry ny filazantsara.