Fanampiana amin’ny fandalinana
Didy Folo, Ny


Didy Folo, Ny

Lalàna folo nomen’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany mba hifehezana ny fitondrantena.

Nomena ny anarana Hebreo hoe ny “Teny Folo” izany. Nantsoina koa hoe ny Fanekena (Deot. 9:9) na ny vavolombelona izany (Eks. 25:21; 32:15). Ny fanomezan’ Andriamanitra ny Didy Folo an’i Mosesy ary an’i Isiraely tamin’ny alalany dia voatantara ao amin’ny Eks. 19:9–20:23; 32:15–19; 34:1. Ireo didy dia vita sokitra teo amin’ny vato fisaka roa izay napetraka tao amin’ny Fiara; koa izany no niantsoana ny Fiara hoe ny Fiaran’ny Fanekena (Nom. 10:33). Ny Tompo raha nitanisa ny Deot. 6:4–5 sy ny Lev. 19:18 dia namintina ny Didy Folo ho “didy roa lehibe” (Mat. 22:37–39).

Naverimberina ao amin’ny fanambaran’ny Andro Farany ny Didy Folo (DJS, Eks. 34:1–2, 14 [Tovana]; Môzià 12:32–37; 13:12–24; F&F 42:18–28; 59:5–13).