Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpanjaka


Mpanjaka

Boky roa ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo boky ireo dia milaza ny tantaran’i Isiraely manomboka amin’ny fikomian’i Adonia, ilay zanakalahy fahefatr’i Davida Mpanjaka (sahabo ho 1015 taona talohan’i Kristy), ka hatramin’ny fambaboana farany an’i Joda (sahabo ho 586 taona talohan’i Kristy). Voarakitra ao ny tantaran’ny fanjakana avaratra manontolo (ny foko folon’i Isiraely) nanomboka tamin’ny nizaran’i Isiraely ka hatramin’ny nitondran’ny Syriana azy babo ho any amin’ny tany avaratra. Jereo koa ny Fifanesen’ny vanim-potoana ao amin’ny tovana.

Mpanjaka voalohany

Toko 1: mitantara ny fiafaran’ny androm-piainan’i Davida mpanjaka. Toko 2–11: mitantara ny fiainan’i Solomona. Toko 12–16: milaza ny amin’ireo mpandova mivantana an’i Solomona, dia i Rehoboama sy i Jeroboama. I Jeroboama no nahatonga ny fizaran’ny fanjakan’i Isiraely. Misy mpanjaka hafa koa voalaza ao. Toko 17–21: mitantara ampahany amin’ny fanompoan’i Elia raha izy nananatra an’i Ahaba mpanjakan’i Isiraely. Toko 22: mirakitra ny ady nifanaovana tamin’ny Syria izay nampitambaran’i Ahaba sy i Josafata mpanjakan’i Joda ny heriny. Mamin’ny manohitra ireo mpanjaka ny mpaminany Mikaia.

Mpanjaka faharoa

Toko 1:1–2:11: manohy ny fiainan’i Elia, ka isan’izany ny niakaran’i Elia ho any an-danitra tanaty kalesy afo. Toko 2–9: mitantara ny fanompoan’i Elisa tamim-pinoana sy hery lehibe. Toko 10: milaza ny amin’ny Jeho mpanjaka sy ny fomba nandravany ny tranon’i Ahaba sy ireo mpisoron’i Bala. Toko 11–13: mirakitra ny nanjakan’i Joasy tamim-pahamarinana sy ny nahafatesan’i Elisa. Toko 14–17: milaza ny amin’ireo mpanjaka samihafa izay nanjaka tamin’i Isiraely sy Joda, tamim-paharatsiana matetika. Toko 15: mitantara ny nambaboan’ny Syriana ireo foko folon’i Isiraely. Toko 18–20: mirakitra ny fiainam-pahamarinana niainan’i Hezekia mpanjakan’i Joda ary koa ny mpaminany Isaia. Toko 21–23: milaza ny amin’ny mpanjaka Manase sy Josiasa. I Manase araka ny lovan-tsofina no tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Isaia. I Josiasa dia mpanjaka marina izay namerina indray ny lalàna teo anivon’ny Jiosy. Toko 24–25: mitantara ny fahababoana tany Babylona.