Fanampiana amin’ny fandalinana
Filoha


Filoha

Anaram-boninahitra entin’ny mpitarika mpiahy ny fikambanana iray. Ny filohan’ny Fiangonana dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara (F&F 21:1; 107:91–92), ary ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia tokony hiantso ny mpaminanin’ny Fiangonana amin’ny anaram-boninahitra “Filoha” (F&F 107:65). Izy no hany olona eto an-tany nomem-pahefana hampiasa ny fanalahidy rehetra an’ny fisoronana.

Ireo lohan’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny lamina hafa ao amin’ny Fiangonana dia mety hitondra ny anaram-boninahitra filoha ihany koa.