Fanampiana amin’ny fandalinana
Diloilo


Diloilo

Ny diloilo oliva matetika no tiana hambara rehefa miresaka diloilo ny Soratra Masina. Hatramin’ny andron’ny Testamenta Taloha, dia nampiasaina ny diloilo oliva ho an’ny fombafomba ao amin’ny tempoly sy ny tabernakely, ny fanosorana, ny fandrehetana fanala ary ny hanina. Mariky ny fahadiovana sy ny Fanahy Masina mbamin’ny fanentanany ny diloilo oliva indraindray (1 Sam. 10:1, 6; 16:13; Isa. 61:1–3).