Fanampiana amin’ny fandalinana
Torimaso


Torimaso

Toe-pitsaharana izay tsy anaovan-javatra sady tsy ahatsiarovan-tena. Nananatra ireo olomasiny ny Tompo tsy hatory mihoatra noho izay ilaina (F&F 88:124). Mety ho tandindon’ny fahafatesana ara-panahy (1 Kor. 11:30; 2 Ne. 1:13) na ny fahafatesan’ny vatana (Môrm. 9:13) ihany koa ny torimaso.