Fanampiana amin’ny fandalinana
Voahangy Lafo Vidy


Voahangy Lafo Vidy

Oharina amin’ny “voahangy lafo vidy” ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (Mat. 13:45–46).

Voahangy Lafo Vidy ihany koa no anarana omena ny iray amin’ireo boky efatra izay antsoina hoe “Soratra Masina ankatoavin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.” Natonta tamin’ny taona 1851 ny boky nivoaka famoahana voalohany amin’ny Voahangy Lafo Vidy izay nirakitra ampahany sasany hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ankehitriny. Ny boky navoaka hatramin’ny taona 1902 dia mirakitra (1) fantina avy ao amin’ny fandikan’i Joseph Smith ny Genesisy izay antsoina hoe ny bokin’i Mosesy sy an’i Matio 24, Joseph Smith—Matio; (2) Ny fandikan’i Joseph Smith papirosy Egyptiana azony tamin’ny taona 1835, izay antsoina hoe ny bokin’i Abrahama; (3) fantina avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana nataon’i Joseph Smith izay nosoratany tamin’ny taona 1838, ka antsoina hoe Joseph Smith—Tantara; ary (4) ny fiekem-pinoana izay filazana telo ambin’ny folo mikasika finoana sy fotopampianarana.