Ny soratra masina
Abrahama 1


Ny Bokin’i Abrahama

Nadikan’i Joseph Smith avy tamin’ny Papirosy

Fandikana an’ireo Rakitsoratra tranainy sasantsasany izay tonga teo an-tananay ary avy any amin’ireo zohim-pasan’i Egypta. Ireo asa soratr’i Abrahama, raha mbola tany Egypta izy, izay atao hoe ny Bokin’i Abrahama, dia nosoratan’ny tanany ihany tamin’ny papirosy.

Toko 1

Nokatsahin’i Abrahama ireo tsodranon’ny lamin’ny patriarikaly—Nenjehin’ireo mpisorona sandoka tao Kaldea izy—Novonjen’i Jehovah izy—Fijerena indray ny niandohana sy ny governemantan’i Egypta.

1 Teo amin’ny tanin’ny aKaldeana, tao amin’ny fonenan’ireo razako, izaho bAbrahama dia nahita fa nilaina tamiko ny mahazo toerana iray hafa ho dtoeram-ponenana;

2 Ary noho ny fahitana fa nisy afahasambarana sy fiadanana ary bfitsaharana bebe kokoa ho ahy tamin’izany, dia nokatsahiko ny fitahian’ireo ray sy ny zo izay tokony hanokanana ahy mba hizakako izany; noho ny tenako efa mpandala ny dfahamarinana sady naniry koa ny ho isan’izay nanam-epahalalana be sy ny ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana sy ny hanam-pahalalana bebe kokoa hatrany ary ny ho rain’ny firenena maro, ny ho printsin’ny fiadanana, sady naniry ny handray toromarika sy ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra, dia nanjary mpandova ara-dalana aho, fMpisorona avo mihazona ny gzo nananan’ireo ray.

3 Izany dia anatolotra ahy avy tamin’ireo ray; nidina avy tamin’ireo ray izany, hatrany amin’ny fiandohan’ny fotoana, eny, hatramin’ny fiandohana na talohan’ny fanorenana ny tany, ka hatramin’izao fotoana izao, dia ny zon’ny blahimatoa, na ny lehilahy voalohany, izay i dAdama, na ny ray voalohany, nandalo tamin’ireo ray ka hatraty amiko.

4 Nokatsahiko ny afanendrena ahy ho amin’ny Fisoronana araka ny fanendren’ Andriamanitra ho an’ireo ray momba ny taranaka.

5 Noho ireo araiko efa nivily niala tamin’ny fahamarinany sy tamin’ny didy masina izay efa nomen’ny Tompo Andriamaniny azy ireo ka bnidera ireo andriamanitry ny mpanompo sampy, dia notsipahiny tanteraka ny hihaino ny feoko;

6 Fa ny fony dia nivonona ny hanao ratsy ary niraikitra tanteraka tamin’ny aandriamanitr’i Elkenà sy ny andriamanitr’i Libnà ary ny andriamanitr’i Mamakrà sy ny andriamanitra Korasa ary ny andriamanitr’i Farao, mpanjakan’i Egypta;

7 Koa izy ireo dia nampitodika ny fony tany amin’ny soron’ny mpanompo sampy, tamin’ny fanaterana ny zanany ho sorona tamin’ireo sampy moana, ka tsy nihaino ny feoko fa niezaka ny hanala ny aiko kosa tamin’ny alalan’ny tanan’ny mpisoron’i Elkenà. Ny mpisoron’i Elkenà dia mpisoron’i Farao ihany koa.

8 Ary tamin’izay fotoana izay, dia fomban’ny mpisoron’i Farao, mpanjakan’i Egypta, ny manatitra lehilahy, vehivavy ary ankizy ho fanatitra ho an’ireo andriamani-kafa eo amin’ny alitara izay naorina teo amin’ny tanin’i Kaldea.

9 Ary ny zava-nitranga dia nanao fanatitra ho an’andriamanitr’i Farao, ary koa ho an’andriamanitr’i Sagrila, araka ny fomban’ny Egyptiana, ny mpisorona. Ankehitriny ny andriamanitr’i Sagrila dia ny masoandro.

10 Ary nataon’ny mpisoron’i Farao na dia ny fanaterana ankizy ho fanati-tsaotra aza, teo amin’ny alitara izay nijoro teo akaikin’ny havoana natao hoe Havoanan’i Potifara, teo an-dohasahan’i Olisema.

11 Ankehitriny ity mpisorona ity dia efa nanatitra teo amin’ny alitara virijiny telo indray miaraka, izay zanakavavin’i Onità, anankiray amin’ny taranak’andriana avy amin’ny naloaky ny kibon’i aHama mivantana. Ireo virijiny ireo dia naterina noho ny fahadiovany, ary izy ireo dia tsy nety bniankohoka mba hitsaoka ireo andriamanitra hazo na vato, koa novonoina teo ambonin’io alitara io izy ireo, ary izany dia natao araka ny fomban’ny Egyptiana.

12 Ary ny zava-nitranga dia nampiasa herisetra tamiko ireo mpisorona, mba hahazoany mamono ahy koa tahaka ny nataony tamin’ireo virijiny teo ambonin’io alitara io; ary mba hahazoanareo fahalalana ny amin’io alitara io, dia nangataka anao aho hijery ny sary eo amin’ny fiandohan’ity rakitsoratra ity.

13 Izany dia natao araka ny endrika farafara, toy izay nisy teo anivon’ny Kaldeanina, ary napetraka teo anoloan’ireo andriamanitr’i Elkenà, i Libna, i Mamakrà, i Korasa, ary koa ny andriamanitra tahaka ny an’i Farao, mpanjakan’i Egypta.

14 Mba hahazoanareo sary an-tsaina ny amin’ireo andriamanitra ireo, dia nomeko anareo ny sariny eo amin’ireo kisarisary eo am-piandohana, izay tarehina kisarisary nantsoin’ny Kaldeanina hoe ny Ralenôsy, izay midika hoe hierôgilifa.

15 Ary raha nanainga ny tanany izy ireo mba hamely ahy, hahazoany manatitra ahy sy manala ny aiko, dia indro, nanandratra ny feoko tamin’ny Tompo Andriamanitro aho, ary ny Tompo dia anihaino sy nandre ka nameno ahy tamin’ny fahitana ny Tsitoha, ary ny anjelin’ny tavany dia nijoro teo akaikiko ka bnamaha avy hatrany ny fatorako;

16 Ary hoy ny feony tamiko: Abrahama, Abrahama, indro, aJehovah no anarako, ary efa nandre anao Aho ary nidina hanafaka anao sy haka anao hiala amin’ny tranon-drainao ary hiala amin’ny havanao rehetra hankamin’ny btany vahiny izay tsy fantatrao;

17 Ary izany dia noho izy ireo efa namily ny fony hiala Tamiko mba hidera ny andriamanitr’i Elkenà sy ny andriamanitr’i Libnà ary ny andriamanitr’i Mamakrà sy ny andriamanitr’i Kôrasa ary ny andriamanitr’i Farao, mpanjakan’i Egypta; koa efa nidina Aho hamaly azy ireo ary hamongotra izay efa nanainga ny tanany hamely anao, mba hanala ny ainao Abrahama zanako.

18 Indro, Izaho no hitantana anao amin’ny tanako sy haka anao ka hampitondra anao ny anarako, dia ny aFisoronan’ny rainao, ary ho eo aminao ny heriko.

19 Toy ny tamin’i Noa, dia ho toy izany koa aminao; fa amin’ny alalan’ny asa fanompoanao no hahafantarana mandrakizay ny aanarako eto an-tany, fa Izaho no Andriamanitrao.

20 Indro, ny havoan’i Potifara dia tao amin’ny tanin’i aOran’i Kaldea. Ary nandrodana ny alitaran’i Elkenà sy ny an’ireo andriamanitry ny tany ny Tompo ka nandrava azy ireny tanteraka, ary namely ny mpisorona ka maty izy; dia nisy fitomaniana lehibe tao Kaldea, ary koa tao an-dapan’i Farao, dia Farao izay midika hoe: mpanjaka araka ny firazanan’andriana.

21 Ankehitriny ity mpanjakan’i Egypta ity dia tamingan’ireo naloaky ny kibon’i aHama ary iray ra amin’ireo bKananita ara-pahaterahana.

22 Avy amin’izany firazanana izany no nipoiran’ny Egyptiana rehetra, ary dia toy izany no nitsimbinana ny ran’ny Kananita teo amin’ny tany.

23 Ny nahita voalohany ny tanin’i aEgypta dia vehivavy iray izay zanakavavin’i Hama sy zanakavavin’i Egyptosa izay midika ho Egypta amin’ny Kaldeana, izay midika hoe izay voarara;

24 Fony ity vehivavy ity nahita ny tany, dia safotry ny rano izany, ary taorian’izany dia nampitoeriny teo ny zanakalahiny; ary dia toy izany, hatramin’i Hama, no nipoiran’ity taranaka ity izay nitahiry ny ozona teo amin’ny tany.

25 Ankehitriny ny governemanta voalohany tao Egypta dia natsangan’i Farao, ny lahimatoan’i Egyptosa, ilay zanakavavin’i Hama, ary izany dia araka ny fomban’ny governemantan’i Hama izay an’ny patriarika.

26 Farao, lehilahy marina, dia nanangana ny fanjakany sy nitsara ny vahoakany tamim-pahendrena sy araka ny hitsiny tokoa tamin’ny androny rehetra, sady nikatsaka fatratra ny haka tahaka an’ilay lamina naorin’ireo ray tao amin’ny taranaka voalohany, tamin’ny andron’ny fanjakan’ny patriarika voalohany, dia tamin’ny nanjakan’i Adama, ary koa i Noa rainy izay nitso-drano azy tamin’ny atsodranon’ny tany sy tamin’ny tsodranon’ny fahendrena, fa nanozona azy kosa raha ny momba ny Fisoronana.

27 Ankehitriny dia avy amin’izany firazanana izay tsy ahazoany ny zon’ny aFisoronana izany i Farao, na dia teo aza ny fihamboan’ireo Farao mafy ho nahazo izany tamin’i Noa, tamin’ny alalan’i Hama, koa sodokan’ny fanompoan-tsampin’izy ireo ny raiko;

28 Fa hiezaka aho hatramin’izao ny hanoritsoritra ny tantara, hatreo amin’ny tenako ka mianotra hatrany amin’ny fiandohan’ny fahariana, fa efa eto am-pelatanako ireto arakitsoratra izay efa notanako hatramin’izao fotoana izao ireto.

29 Ankehitriny, nony efa voa ilay mpisoron’i Elkenà ka maty, dia tonga ny fahatanterahan’ireo zavatra izay nolazaina tamiko momba ny tanin’i Kaldea, fa hisy mosary eo amin’ny tany.

30 Araka izany, dia nanjaka nanerana ny tanin’i Kaldea manontolo ny mosary, ary nijaly mafy tokoa ny raiko noho ny mosary ka nibebaka tamin’ny ratsy izay efa novolavolainy hamelezana ahy, hanalana ny aaiko.

31 Fa ny rakitsoratr’ireo ray, dia ireo patriarika, momba ny zon’ny Fisoronana, dia notehirizin’ny Tompo teo an-tanako; koa ny fahalalana ny amin’ny fiandohan’ny fahariana, ary koa ny amin’ny aplaneta sy ny amin’ny kintana, toy ny nampahalalana ireo ray izany, dia efa notanako hatramin’ny anio, ary hiezaka aho ny hanoratra ny sasantsasany amin’ireny zavatra ireny eo amin’ity rakitsoratra ity, ho tombontsoan’ny taranako izay handimby ahy.