Ny soratra masina
Filazana Ôfisialy 2


Filazana Ôfisialy 2

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” ka ao anatin’izany “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy” (2 Nefia 26:33). Nandritra ny tantaran’ny Fiangonana dia olona avy amin’ny firazanana sy foko rehetra avy amin’ny firenena maro no natao batisa ary niaina toy ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana. Nandritra ny androm-piainan’i Joseph Smith dia nisy mpkamban’ny Fiangonana maintsy fihodirana vitsivitsy notendrena ho amin’ny fisoronana. Tany am-piandohan’ny tantaran’ny Fiangonana dia najanon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny fanendrena ireo lehilahy mainty fihodirana taranaka Afrikana ho amin’ny fisoronana. Tsy manome fanazavana feno mikasika ny loharano niavian’izany fomba fanao izany ny tahirintsoratry ny Fiangonana. Nihevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa nilaina ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra mba hanovana io fomba fanao io ka nikatsaka fitarihana tamin’ny alalan’ny vavaka izy ireo. Tonga tamin’i Spencer W. Kimball Filohan’ny Fiangonana ny fanambarana ary nambara tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ny 1 jona 1978. Io fanambarana io no nanala ireo famerana rehetra mikasika ny firazanana izay nisy fotoana nampiharina tamin’ny fisoronana.

Ho an’izay Mety ho Voakasik’izao:

Ny 30 septambra 1978, nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana fanao isaky ny tapa-taona faha-148 an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no nanoloran’ny Filoha N. Eldon Tanner, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana izao manaraka izao:

Tany amin’ny fiandohan’ny volana jona tamin’ity taona ity no nilazan’ny Fiadidiana Voalohany fa nandraisan’ny Filoha Spencer W. Kimball fanambarana izay manitatra ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly amin’ireo lehilahy mendrika rehetra mpikambana amin’ny Fiangonana. Ny Filoha Kimball dia nangataka ahy hampahafantatra ny fihaonambe fa taorian’ny nandraisany ity fanambarana ity, izay tonga taminy taorian’ny fisaintsainana naharitra sy ny vavaka tao amin’ireo efitra masin’ny tempoly masina, dia natolony ireo mpanolotsainy izany, izay nanaiky sy nandany izany. Dia natolotra ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo izany ka nolanin’ny daholobe, rehefa izany dia natolotra ny Manampahefana Ambony hafa rehetra izany, ka toy izany koa no nandanian’ny daholobe izany.

Nangatahin’ny Filoha Kimball aho hamaky ity taratasy ity ankehitriny:

8 jona 1978

Ho an’ireo mpitarika ambony sy eo an-toerana ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao:

Ry Rahalahy Malala:

Koa satria efa natrehinay maso ny fitaran’ny asan’ny Tompo manerana ny tany, dia feno fankasitrahana izahay fa vahoaka avy amin’ny firenena maro no efa namaly ny hafatry ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ka efa nampitombo mandrakariva ny isan’ireo izay niditra ho mpikambana amin’ny Fiangonana. Izany indray rehefa avy eo no nanentana ny fanirianay mba hanolotra amin’ny mpikambana mendrika rehetra amin’ny Fiangonana ireo tombontsoa sy fitahiana izay omen’ny filazantsara.

Noho ny fahalalana ireo fampanantenana nataon’ireo mpaminany sy filohan’ny Fiangonana izay efa nialoha anay, fa amin’ny fotoana iray, amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra, ireo rahalahinay rehetra izay mendrika dia hahazo handray ny fisoronana, ary noho ny fahitana ny fahatokian’ireo izay tsy nomena ny fisoronana, no efa nitalahoanay ela sy tamin-kafanam-po tokoa ho an’ireo rahalahinay mahatoky ireo, ka nandanianay ora maro tao an’Efitra Ambony Rihan’ny Tempoly, niangavy ny Tompo hanome ny fitarihany.

Efa nihaino ny fivavakay Izy, ary tamin’ny fanambarana no efa nanamafisany fa efa tonga ilay andro nampanantenaina ela izay ahazoan’ny lehilahy mahatoky rehetra ao amin’ny Fiangonana mandray ny fisoronana masina sy ny hery hampiasa ny fahefan’ Andriamanitra ka hankafy miaraka amin’ny havan-tiany ny fitahiana rehetra azo amin’izany, anisan’izany ireo fitahian’ny tempoly. Araka izany, ny lehilahy mendrika rehetra, mpikambana ao amin’ny Fiangonana, dia azo atokana ho amin’ny fisoronana, tsy misy fijerena firazanana na volon-koditra. Iangaviana ireo mpitondra ny fisoronana hanaraka ny toromarika hiara-midinidinika tsara amin’ireo mpiomana ho amin’ny fisoronan’i Aharôna na i Melkizedeka rehetra mba hahazo toky fa izy ireo dia mahafeno ny fepetra takina amin’ny fahamendrehana.

Ambaranay amin’ny fomba hentitra fa ny Tompo dia efa nampahafantatra ny sitrapony ankehitriny ho fitahiana ny zanany rehetra manerana ny tany, izay te hihaino ny feon’ireo mpanompony nomen-dalana ary manomana ny tenany mba handray ny fitahiana rehetra avy amin’ny filazantsara.

Ireo mpanomponareo mahatoky,

Spencer W. Kimball

N. Eldon Tanner

Marion G. Romney

Ny Fiadidiana Voalohany.

Noho ny fanekentsika an’i Spencer W. Kimball ho mpaminany, mpahita, ary mpanambara sy filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary amin’ny maha-fivoriambe mahefa antsika dia atolotra mba hoekentsika ho toy ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo io fanambarana io. Izay rehetra mankasitraka dia aoka haneho izany amin’ny fananganany ny tanany havanana. Izay manohitra dia hanao toy izany koa.

Neken’ny daholobe ny fanohanana io fehin-kevitra io.

Salt Lake City, Utah, 30 septambra 1978.