Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86


Fizarana 86

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 6 desambra 1832. Azo ity fanambarana ity raha mbola teo am-pitsarana sy teo am-pamoahana ny sora-tanana momba ny fandikana ny Baiboly ny Mpaminany.

1–7, Fanomezan’ny Tompo ny hevitry ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary; 8–11, Nohazavainy ny fitahian’ny fisoronana ho an’ireo izay mpandova ara-dalàna araka ny nofo.

1 Marina tokoa, izao no lazain’ny Tompo aminareo ry mpanompoko isany momba ny afanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary:

2 Indro, lazaiko marina tokoa, ny tanimbary dia izao tontolo izao ary ireo apôstôly no mpamafy ny voa;

3 Ary rehefa nodimandry izy ireo, ilay mpanenjika mafy ny fiangonana, ilay mpivadika, ilay vehivavy janga, dia i aBabylona izay mampisotro ny firenen-drehetra amin’ny kapoakany, izay ny fahavalo dia i Satana, no mitoetra mba hanjaka ao am-pony—indro, mamafy ny tsimparifary izy; koa ny tsimparifary dia manafotra ny vary ary mandroaka ny bfiangonana ho any an-tany foana.

4 Nefa indro, amin’ny aandro farany, dia ankehitriny, raha mbola manomboka mamoaka ny teny ny Tompo ary maniry ny vary nefa mbola malemilemy—

5 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, mitalaho amin’ny Tompo andro aman’alina ireo aanjely izay efa vonona sy miandry ho hirahina mba bhijinja ny saha;

6 Nefa hoy ny Tompo aminy: aza ongotana ny tsimparifary raha mbola malemilemy ny vary (satria marina tokoa fa malemy ny finoanareo) fandrao hovonoinareo koa ny vary.

7 Koa aoka ny vary sy ny tsimparifary hiara-hitombo ambara-pahatongan’ny eny an-tsaha ho masaka tanteraka; amin’izay dia hangoninareo aloha ny vary hiala amin’ny tsimparifary ary rehefa voangona ny vary dia indro ka jereo fa hafatotra ho fehezana ny tsimparifary ary havela mba hodorana ny saha.

8 Koa izao no lazain’ny Tompo aminareo izay efa nitohizan’ny afisoronana tamin’ny alalan’ny firazanan’ireo rainareo—

9 Fa ianareo dia ampandova ara-dalàna araka ny nofo ary efa bnafenina an’izao tontolo izao niaraka tamin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra—

10 Koa efa tafatoetra ny fiainanareo sy ny fisoronana ary tsy maintsy ilaina ho tafatoetra amin’ny alalanareo sy ny firazananareo izany ambara-apamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra voalazan’ny vavan’ireo mpaminany masina rehetra hatry ny niandohan’izao tontolo izao.

11 Koa sambatra ianareo raha mitozo ao amin’ny fahamoram-panahiko, ho afahazavana ho an’ny Jentilisa, ary ho mpamonjy ho an’i bIsiraely oloko amin’ny alalan’ny fisoronana. Ny Tompo no efa nilaza izany. Amena.