Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83


Fizarana 83

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Independence, Missouri, ny 30 aprily 1832. Azo ity fanambarana ity raha mbola niara-nivory tamin’ireo rahalahiny ny Mpaminany.

1–4, Fananan’ny vehivavy sy ny ankizy zo hahazo fanohanana avy amin’ny vadiny sy ny rainy; 5–6, Fananan’ny mananotena sy ny kamboty zo hahazo fanohanana avy amin’ny Fiangonana.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo, ho fanampin’ny lalàn’ny fiangonana momba ny vehivavy sy ny zaza, ireo izay isan’ny fiangonana, izay efa anamoy ny vadiny sy ny rainy:

2 Ny vehivavy dia manana azo hahazo fanohanana avy amin’ny vadiny, mandra-panaisotra ny vadiny; ary raha tsy mpandika lalàna izy ireo dia hanana fihavanana ao am-piangonana.

3 Ary raha tsy mahatoky izy ireo dia tsy hanana fihavanana ao am-piangonana; kanefa dia mahazo mitoetra eo amin’ny lovany izy ireo araka ny lalàn’ny tany.

4 Ny aankizy rehetra dia manana zo hahazo fanohanana avy amin’ny ray aman-dreniny mandra-pahatonga azy ireo ho ampy taona.

5 Ary aorian’izany, dia manana zo izy ireo hahazo ny fanohanan’ny fiangonana, na amin’ny teny hafa, ny fanohanana avy amin’ny atrano fitehirizan’ny Tompo, raha tsy manana izay omena azy ireo ho lovany ny ray aman-dreniny.

6 Ary ny trano fitehirizana dia hovatsiana amin’ny alalan’ny fanokanana zavatra ho an’ny fiangonana; ary hokarakaraina ny amananotena sy ny kamboty, mbamin’ny bmahantra. Amena.