Trano Fitehirizana
Toerana izay andraisan’ny eveka sy itantanany ary izarany amin’ny mahantra ireo fanomezana natokan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny trano fitehirizana tsirairay dia mety ho lehibe na kely araka izay takin’ny zava-misy. Ny Olomasina mahatoky dia manome ny eveka talenta, fahaiza-manao, fitaovana, ary vola mba hikarakarana ny mahantra amin’ny fotoan-tsarotra. Koa ny trano fitehirizana dia mety ahitana ny lisitr’ireo fanampiana, vola, sakafo, na zavatra ilaina hafa. Ny eveka no mpiandraikitra ny trano fitehirizana ary mizara ny entana sy ny fanampiana araka izay ilaina sy araka ny fitarihan’ny Fanahin’ny Tompo (F&F 42:29–36; 82:14–19).