Fanampiana amin’ny fandalinana
Bokin’i Môrmôna


Bokin’i Môrmôna

Anankiray amin’ireo bokin-tsoratra masina efatra eken’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany dia famintinana ireo rakitsoratry ny mponina fahiny tany Amerika, nataon’ilay mpaminany fahiny izay i Môrmôna no anarany. Nosoratana izany ho vavolombelona hanambara fa i Jesoa no Kristy. Hoy i Joseph Smith Mpaminany momba ity rakitsoratra izay nadikany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ity: “Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany ary vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa”. (Jereo ny teny fanolorana ao amin’ny voalohandohan’ny takila, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).

Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratra ara-pivavahana an’ireo andian’olona telo izay nifindra monina avy tany Eorôpa sy Azia nankany amin’ny kaontinanta Amerikana. Ireo andiany ireo dia notarihin’ny mpaminany izay nirakitra ny tantaran’ny fiainany sy ny momba ny fivavahany teo amin’ny takela-by. Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny famangian’i Jesoa Kristy ny mponina tany Amerika taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Nanjaka nandritra ny roanjato taona ny fandriampahalemana taorian’io famangian’i Kristy io.

Môrônia, ilay farany tamin’ireo mpaminany sady mpahay tantara Nefita, dia nifehy ny rakitsoratra voafintina an’ireo vahoaka ireo ka nanafina izany tokony ho 421 taona taorian’i Kristy. Tamin’ny taona 1823, dia namangy an’i Joseph Smith i Môrônia izay efa nitsangana tamin’ny maty ka nanolotra azy izany rakitsoratra tranainy sy masina izany taty aoriana, mba hadika sy havoaka ho an’izao tontolo izao ho toy ny Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.