Fanampiana amin’ny fandalinana
Ohabolana


Ohabolana

Teny fananarana fohy na torohevitra.

Ny bokin’ny Ohabolana

Boky ao amin’ny Testamenta Taloha mirakitra fanoharana, teny, ary tononkalo maro izay nosoratan’i Solomona ny sasany. Voatonona matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny bokin’ny Ohabolana.

Toko 1–9: mirakitra fanazavana momba ny tena fahendrena. Toko 10–24: mirakitra amboaram-pitenenana momba ny fomba fiainana tsara sy ratsy. Toko 25–29: mirakitra ny ohabolan’i Solomona izay nosoratan’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’i Joda. Toko 30–31: mirakitra filazalazana ny amin’ny vehivavy tsara toetra.