Fanampiana amin’ny fandalinana
Sadoseo


Sadoseo

Vondron’olona bitika iray teo anivon’ny Jiosy, kanefa natanjaka ara-pôlitika. Angamba ny tena nahafantarana azy dia ny finoany amin’ny fomba hentitra ny fanarahana ny tenin’ny lalàn’i Mosesy, ary koa ny fandavana ny fisian’ny fanahy sy ny anjely sy ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay (Mar. 12:18–27; Asa 4:1–3; 23:7–8).