Fanampiana amin’ny fandalinana
Dana


Dana

Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahin’i Jakoba sy i Bila, mpanompovavin’i Rahely (Gen. 30:5–6).

Ny fokom-pirenen’i Dana

Ny amin’ny tsodrano nomen’i Jakoba an’i Dana, dia jereo Genesisy 49:16–18. Ny amin’ny tsodrano nomen’i Mosesy ny fokom-pirenen’i Dana, dia jereo ny Deoteronomia 33:22. Rehefa niorim-ponenana tao Kanana izy ireo, dia nahazo zara tany kely nefa lonaka izaitsizy tokoa ny fokom-pirenen’i Dana. (Jos. 19:40–48). Tojo fahasahiranana lehibe izy ireo tamin’ny fiarovana izany tamin’ny Amorita (Mpits. 1:34) sy tamin’ny Filistiana (Mpits. 13:2, 25; 18:1). Noho izany, dia nifindra monina tao avaratr’i Palestina (Mpits. 18) nanodidina an’i Laisy ny Danita ary nanao indray ny anaran’ny tanàna hoe Dana. Izany tanàna izany dia fantatra tsara amin’ny maha-sisin-tany avaratr’i Palestina azy, izay miorina “hatreo Dana ka hatrany Beriseba.”