Mandeha, Mandeha Miaraka amin’ Andriamanitra Jereo koa Fahamarinana (toetra); Lalana; Mankatò Mifanaraka tsara amin’ny fampianaran’ Andriamanitra sy miaina amin’ny fomba tian’ Andriamanitra hiainan’ny olony; mandray sy mankatò ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Izaho dia hizaha toetra azy na handeha manaraka ny lalàko izy, na tsia, Eks. 16:4. Tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy, Sal. 84:11. Izay mandeha araka ny didiko sy mitandrina ny fitsipiko dia ho oloko, Ezek. 11:20–21 (Deot. 8:6). Inona no zavatra ilain’ny Tompo aminao fa tsy ny hanarahanao Azy amin’ny fanetrentena, Mika 6:8 (F&F 11:12). Mandehana eo amin’ny mazava, tahaka an’ Andriamanitra eo amin’ny mazava, 1 Jn. 1:7 (2 Jn. 1:6; 3 Jn. 1:4; 4 Ne. 1:12). Mandehana amin’ny lalana ety izay mitondra mankany amin’ny fiainana, 2 Ne. 33:9. Nandeha tamin’ny fieritreretana madio teo anoloan’ Andriamanitra ny mpanjaka Benjamina, Môzià 2:27. Ny adidinareo dia ny mandeha tsisy tsiny araka ny lamina masin’ Andriamanitra, Almà 7:22. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia haneho fitondrantena sy firesahana araka an’ Andriamanitra, F&F 20:69. Mampandria sofina amin’ny mpaminany ary mandehana amin’ny fahamasinana tanteraka eo anoloan’ny Tompo, F&F 21:4. Ampianaro ny zaza hivavaka sy handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo, F&F 68:28. Hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko, Mos. 6:34.