Mpaminanivavy
Vehivavy izay nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa sady manana ny fanahin’ny faminaniana. Tsy mihazona ny fisoronana na ny fanalahidiny ny mpaminanivavy. Na vehivavy vitsy ihany aza no nantsoina hoe mpaminanivavy ao amin’ny Soratra Masina, dia maro no naminany toa an’i Rebeka, i Hana, i Elizabeta ary i Maria.