Fanampiana amin’ny fandalinana
Elisa


Elisa

Mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha, avy amin’ny Fanjakan’i Isiraely Avaratra ary mpanolotsaina nitokian’ny maro tamin’ireo mpanjakan’ny firenena.

Elisa dia malemy fanahy sy be fitiavana, tsy nanana an’ilay risi-po mivaivay izay nampiavaka an’i Elia tompony izy. Ny fahagagana misongadina nataony (2 Mpan. 2–5; 8) dia vavolombelona fa nandray marina tokoa ny fahefan’i Elia izy rehefa nandimby azy ho mpaminany (2 Mpan. 2:9–12). Fa izy, ohatra, dia nanasitrana ny loharano tamin’ny ngidiny, nampisaraka roa ny Renirano Jordana, nampitombo ny diloilon’ilay mananontena, nanangana zazalahy tamin’ny maty, nanasitrana lehilahy iray tamin’ny habokana, nampitsikafona lelam-pamaky, nampanjambena ny Siriana (2 Mpan. 2–6). Naharitra dimampolo taona mahery ny asa fanompoany, nandritra ny nanjakan’i Jehorama, i Jeho, i Joahaza ary i Joasy.